<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ny paradisa an-tany FFPM556</title>
<lyrics>[V1]
 Ny Paradisa an-tany
 Tsy misy re izany !
 Ny hazon'aina very,
 Fa tsilo be no ao !
 Ry foko, aza kivy,
 Fa ao ny tany soa,
 Ny Paradisa hisy,
 Ry foko, andrandrao !
 Tsy misy ory any,
 Fa tretrika avokoa,
 Afaka ady ka mihoby,
 Misy hazon'aina ao !

[V2]
 Mandrahona ny ady,
 Mirehitra sahady,
 Fa be ny fahavalo
 Mamely ahy izao,
 Ry foko, aza kivy, ..sns.

[V3]
 Ny eso, latsa, ratra,
 Matetika mihatra
 Tsaroako avaly
 Ny asa vitako.
 Ry foko, aza kivy, ..sns.

[V4]
 Miferinaina eto,
 Tomany sy misento ;
 Indrisy ! ory aho,
 Vonjeo, Tompo ô !
 Ry foko, aza kivy, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>556</hymn_number>
</song>